Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny pesta : eto amintsika ny sekretera jeneralin’ny FICR

Ady amin’ny pesta  : eto amintsika ny sekretera jeneralin’ny FICR

 Tonga eto Madagasikara, omaly, ny sekretera jeneralin’ny Fédération internationale de la Croix rouge (FICR), Elhadj As Sy. Hijery ifotony momba ny valanaretina pesta sy ny hetsika rehetra efa ataon’ny fanjakana malagasy sy ny mpiray ombon’antoka ny anton-diany. Anisan’ny fikambanana misehatra momba ny ady amin’ny aretina pesta ny Croix rouge malagasy, indrindra amin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny mponina ny fisian’ny aretina sy ny fisorohana tokony hatao. Anio, hivory eny amin’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) sy ny BNGRC ny tenany amin’ny tapak’andro maraina. Horaisin’ny praiminisitra malagasy kosa izy ny tapak,andro hariva ary mbola manodidina ny trangana pesta ihany ny fototry ny dinika.

Omaly, taorian’ny fandraisan’ny filohan’ny Croix rouge malagasy, Rakotondranja Claude ny vahiny teny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato, nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny mpilatsa an-tsitrapo eto Analamanga sy ny tomponandraikitra ao amin’ny Crm.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.