Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vatomandry : gadra mamita sazy tratra nanafika

Voasambotry ny zandary tao Vatomandry, ny 6 sy 7 oktobra 2017 teo am-piomanana hanao fanafihana any Mahanoro, ny jiolahy telo. Nahatrarana basy roa sy bala miisa 12 tamin’izy ireo nandritra ny fisavan’ny zandary. Ny roa tamin’ireo jiolahy, efa nanao fanafihana mitam-piadiana tany Soanierana Ivongo ka isan’izany ny iray gadra mbola mamita ny saziny ao Ambalatavoahangy Toamasina fa nanao asa ivelan’ny fonja (MOP) ka nangala-dia nanao asan-jiolahy, araka ny tatitra avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

Nahazo loharanom-baovao ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’i Vatomandry, ny zoma 6 oktobra 2017 fa misy andian-jiolahy mitam-piadiana hanao fanafihana mpandraharaha lavanila any Mahanoro. Ny roa amin’ireo jiolahy efa niatrana tany Mahanoro tamin’io fotoana io fa ny iray kosa niala tany Toamasina hamonjy ireo namany ireo, raha ny fanazavana hatrany. Nametraka sakana tao Vatomandry ny zandary ka tratra tao anaty taksiborosy mampitohy an’i Toamasina sy i Mahanoro ny jiolahy iray tamin’ny 4 ora hariva izay voatonona tamin’ity raharaha ity. Nanao fisavana avy hatrany ny zandary ka tratra tany aminy ny basy PA 7,65 mm tsy misy marika miaraka amin’ny chargeur iray sy bala miisa valo. Fantatra tamin’izany fa misy namany roa lahy efa nialoha lalana azy any Mahanoro.

Tratran’ny zandary tany Mahanoro, ny ampitson’io ireo roa lahy namany niaraka tamin’ny basim-borona iray sy bala efatra tsy misy taratasy.

J.C

Les commentaires sont fermées.