Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vakansy lavareny noho ny pesta : manahy ny amin’ny fianaran-janany ny ray aman-dreny

Vakansy lavareny noho ny pesta  : manahy ny amin’ny fianaran-janany ny ray aman-dreny

Miteraka resabe eo amin’ireo ray aman-dreny ny tsy fianarana lavareny noho ny tsy mbola fafehezana ny aretina pesta eto Madagasikara ity. Tsy ampy rahateo ny fanazavana omen’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mikasika ny ho tohin’ny fianaran’ny ankizy.

 

Ho an’ny EPP sy ny CEG, tsy mbola niditra an-tsekoly mihitsy ny mpianatra. Efa misasaka ny volana oktobra, tsy mbola nisy fianarana.

Ho an’ny sekoly tsy miankina kosa, efa niditra ny volana septambra ny mpianatra. Tapaka anefa izany fampianarana izany nandritra ity volana oktobra ity ary mbola hitohy, tsy fantatra ny fetrany. Betsaka ireo ray aman-dreny efa nandoa saram-pianarana volana oktobra. Tsy misy fianarana mandeha mihitsy anefa mandritra ity volana ity.

Miroroa saina ny ray aman-dreny  na hamerina ny saram-pianarana ny sekoly na hanararaotra ireo efa nandoa.

Olana ny saram-pianarana

Hitaky sara-pianarana ho an’ireo tsy mbola nahaloa izany koa ve ny sekoly?

Etsy andaniny, manahy ny ray aman-dreny sao ho tara ny fanatanterahana ny fandaharam-pianarana raha hitohy lavareny ity fotoana tsy ianarana ity. Mitaky ny fanazavana entin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny ray aman-dreny hampilamin-tsaina sy hampitony azy ireo sy ny zanany.

Tsy fantatra na hihemotra iray volana ny taom-pianarana amin’ity taona ity hahafahana manolo ny fotoana very tamin’ity volana oktobra ity. Efa hiditra amin’ny vakansy “Toussaint” koa ny mpianatra amin’io faran’ny volana oktobra miditra volana novambra io. Misavorovoro ny sain’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny.

Tatiana A.

 

Les commentaires sont fermées.