Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : ny mponina maditra, ny fitondrana goragora

Marary mahafantatra fa efa mikotrika ao aminy ilay aretina mbola nitsoaka ny toera-pitsaboana. Maty nentin’ny havany nivoaka antsokosoko ny vatana mangatsika mitaiza otriky ny pesta. Any am-pasana mbola noloaran’ny havany ihany ilay razana nalevina anaty fasana an’irotra.

Samy nitranga avy ireo fihetsika mamoafady ireo, sanatria famosaviana ny fiaraha-monina manampy trotraka amin’ny fielezan’ity areti-mifindra izay efa tsy voafehy nefa mamono mahafaty raha tsy voatsabo haingana.

Inona moa ny tena antony mitarika ny olona hioa-pefy toy izany, andika ankitsirano izao an’ireo fepetra mipetraka entina hiarovana ny mponina ? Sanatria tsy ny fahatahorana ho faty, olona efa ambavahoana izao na efa razana nialan’ny aina izao ve mbola anao na anaovana fangala-piery amin’ny rafahafatesana. Raha tsy ny fahatahorana ho faty dia ny fahatahorana ny ho very faty.

Ilay marary nitsoaka hôpitaly dia efa vonona ho faty, saingy fantany fa raha any amin’ny hôpitaly izy no miala aina dia any an’irotra anatina fasana tsy azo vohaina intsony izy no alevina. Veloma mandrakizay ny fasan-drazana. Raha mbola velon’aina maro ny Malagasy no tsy mahazaka an’izay fanilihana ny vatany na ny vatan’ny havany raha hatrizay tonga ny fahafatesany ka ho voarara mandrakizay ny fametrahana azy hiala sasatra ao amin’ny fasan-drazany, toy ny ozona izany. Ka raha maty aho matesa ny sasany. Karazana fitiavan-tena mitera-doza ho an’ny mpiara-monina rehetra izany. Eo no miditra Rafanjakana. Ny fandraisany adidy mikasika ny fiarovana ny mponina dia miseho amin’ny fangalana didy ho fametrahana amina toerana mitokana an’izay tratran’ilay aretina mandra-pahasitrany raha velona, mandrakizay raha maty tsy nahazo fahasitranana. Efa nidera ny hery mpitandro ny filaminana, (tafika zandary sy pôlisy) ny Filohampirenena eo amin’ny fanefany an’izany fifehezana ny marary tsy ahafahany mifangarongaro amin’ny mponina mba tsy amindra an’ilay aretina. Toa lasa aloha ihany izany fiderana izany, toy ny fandihizana mbola tsy afa-tavolo. Ny didy mipetraka, nefa toy ny tazana matetika, ny kabary lasa aloha an’ny fampiharana entitra an’ireo fepetra noraisina. Izao no porofo, na teo amin’ny marary efa niala aina na teo amin’ny maty na teo amin’izay efa nalevona dia nisy anisany avokoa nohon’ny fihoaram-pefy nohon’ny makarakara ahafahana miporitsaka. Iza no tsy nanefa ny adidiny ? Ireo no namandrika an’ilay Raiamandreny izay mety voaendrikendrika ho belazao, nefa ny fanatanterahana andraikitra  nataon’ireo olona no dokadokafany tsy hita atao hoe mahafapo.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.