
Olona miisa 13 (nahitana vehivavy bevohoka iray) no indray voasambotry ny zandarimariam-pirenena tao anatin’ny iray volana (12 septambra – 13 oktobra 2017) nandritra ny hetsika “Ady amin’ny fiparitahan’ny basy” tao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Basy miisa 12 tratra ka basy PA vita rosianina ny iray raha vita gasy kosa ny 11. Araka ny fanazavan’ny zandary, kaominina telo no tena nahitana izao vokatra izao : ny ao Soavina, Imady ary Ivato Centre. Tratra teo am-panomanana fanafihana mitam-piadiana tokantranon’olona iray ireto tambajotran-jiolahy ireto, ny volana oktobra lasa teo. Tratra ry zalahy rehefa avy nifandona tamin’ny zandary. Nanoro ny namany indray ireo jiolahy tratra ireo ka mbola niampy ihany ny basim-borona sy ny olona tratra. Basy PA ny valo ary basy lava kosa ny efatra miaraka amin’ny bala 15. Tamin’ny fanadihadiana no nahalalana fa isan’ireo mpanao fanafihana fiara eny amin’ny RN 7 ry zalahy ireto. Jiolahy nokarohin’ny zandary hatry ny ela ny sasany amin’izy ireo, kanjo tratra ihany.
Ny fahatsapana fa isan’ny miteraka tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra no nahatonga ny vondron-tobim-pileovana ao Amoron’i Mania sy ny kaompanian’ny zandary ao Ambositra nanao izao “Opération basy vita gasy” izao.
Jiolahy 10 naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana.
Jean Claude
Les commentaires sont fermées.