Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanatrika ny “Qudwa Forum“ Rafieferana Faly

Nanatrika ny “Qudwa Forum“ Rafieferana Faly

Nanatrika ny fivoriambe “Qudwa 2017” tany Abu Dhabi momba ny fanabeazana Rafieferana  Faly, ilay mpanabe nahazo ny loka tamin’ny Global teacher prize top 50 ny taona 2015. Notontosaina ny 7-8 oktobra lasa teo ny hetsika tao amin’ny trano fandraisam-bahiny malaza Emirate Palace Hotel. Mpanabe sy mpampianatra mihoatra ny 800 no nanatrika ny “Qudwa Forum 2017” avy amin’ny firenena 80. Tanjon’ny Qudwa Forum ny hanomezana hery sy fahalalana feno ny mpanabe sy mpampianatra hanatsarany ny fanabeazana amin’ny ho avy. Nanana fotoana koa izy nihaonana amin’ireo olona efa manana traikefa sy kalaza amin’ny sehatry ny fanabeazana, anisan’izany i Julia Gillard, Praiminisitra aostraliana teo aloha sy i Michael B. Horn, Michelle Borba, sy ny maro hafa koa.

Mbola afaka nitsidika ireo toerana malaza manerana an’i Abu Dhabi koa ny tenany nandritra ny fivahiniany tany ny 6 ka hatramin’ny 9 oktobra lasa teo. Taorian’ny diany, fantatra fa mpanao famelabelaran-kevitra matetika ity mpanabe malagasy ity ka hizara ny voandalana mavesa-danja ho an’ny Malagasy, indrindra eo amin’ny torolalana sy tohevitra omena ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny ary ny tanora.

Nanokatra ny sekoly Fikoloana any Alatsinainy Bakaro Andramasina izy ny taona 1990. Nanangana ny sekoly lycée Mpanefa Iraka koa Rafieferana Faly ny taona 2003.

Marihina fa nahazo ny laharana faharoa izy tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena momba ny fanabeazana manerana an’i Afrika, ny taona 2009.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.