Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpikalo – Andravoahangy : feno 10 taona ny rantsana Vonona

Mpikalo – Andravoahangy  : feno 10 taona ny rantsana Vonona

Folo taona katroka amin’ity taona ity no nijoroan’ny Mpikalo rantsana Vonona, ao amin’ny Ekar Md François d’Assise etsy Andravoahangy. Notanterahina, ny 15 oktobra teo, ny hetsika nenti-nanamarika izany tsingerintaona izany, tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana lehibe. Taorian’izay kosa, nisy ny  fiaraha-misakafo narahina fampisehoana tantara an-tsehatra maromaro, toy ny « Mampody vady nisintaka»,

« Mpantsaka rano sy mpanasa lamba» ary « Dokotera sy mpisikidy».

Nitondra an-tsehatra ireo tantara ireo ny mpikambana avy eo anivon’ny rantsana. Teo ihany koa ny kalon’ny fahiny manasongadina ny maha Malagasy.  Notsofindrano, nandritra io lanonana io, ireo  mpikabary andia “Md Josefa” miisa 11 mianadahy, nivoaka farany teo. Araka ny nambaran-dRakotovao Haja Dera, filohan’ny rantsana Vonona, tsy mifanalavitra amin’ny tarigetran’ny Mpikalo ny hitaona ny olona hanana fitondrantena mendrika sy maotina, amin’ny alalan’ny kabary sy ny Soratra Masina. Araka ny teny fanevana, «  Andrianiko ny teny, itoriako ny Vaovao Mahafaly », izany. Nisy moa ny fanapahana mofo mamy nanamarihana io taon-jaobily io. Marihina fa hanomboka ny  alahady 22 oktobra tolakandro ny fampiofanana kabary, ao amin’ity sampana ity.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.