Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina : hoentin’ny FFKM am-bavaka ny Pr Zafy sy ny firenena

Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina : hoentin’ny FFKM am-bavaka ny Pr Zafy sy ny firenena

 Hotanterahina, anio etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena etsy Mahamasina, ny fanaovam-beloma farany ny nofomangatsiakan’ny Pr Zafy. Raha tsy misy ny fiovana,

hitarika ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana amin’izany ny eo anivon’ny FFKM, hotarihin’ny filohany, ny Mgr Razanakolona Odon. Hoentina am-bavaka sy isaorana an’Andriamanitra izao fahalasanan’ity filoha teo aloha ity izao. Tahaka izany koa ny vavaka ho an’ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Aorian’izany, hihazo ny lalam-pirenena fahefatra (RN4) sy fahenina (RN6) ny tranovorona hoentina any Ambilobe ka hatrany Betsiaka, tanindrazany.

Nialoha izany, nandrasana tetsy Mahamasina ny nofomangatsiakany. Nanao tohivakana ny famangiana ny fianakaviana nataon’ireo tompon’andraikim-panjakana sy ny mpitondra teo aloha.

Nampihetsim-po ny vahoaka malagasy

 Tsiahivina fa nigadona an-tanindrazana, ny asabotsy teo teny Ivato tamin’ny 4 ora sy sasany ny razana. Tonga nitsena izany teny an-toerana ny avy amin’ny fitondram-panjakana, notarihin’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana. Anisan’izany koa ny filoha teo aloha, ny amiraly Ratsiraka. Nihazo ny teny amin’ny trano fonenany eny Ivandry avy eo. Tomefy olona teny amin’ny lalana nolalovany ary nihetsi-po sy malahelo avokoa ny maro amin’izy ireny. Efa niandry teny ireo fianakaviana sy ny  zanaky ny avy Antsiranana ary ny lehiben’ny andrimpanjakana sasany. Teny koa ny filoha teo aloha, Ravalomanana mivady sy ny filoham-panjakana teo aloha, Ratsirahonana Norbert Lala. Nandrasan’ny fianakaviana teny ny alin’ny asabotsy ary nentina natao veloma farany tetsy amin’ny fiangonany, etsy amin’ny Md François Xavier Antanimena, avy eo. Nitarika ny Sorona Masina tamin’izany ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Razanakolona Odon. Naompany amin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika ny fampianarana nataony. “Mba hiray Aminy… Miantso antsika ny Ray satria tia antsika Izy na eo aza ny sedram-piainana… Nandalo dingam-piainana maro ity raiamamandreny ity. Nomen’Andriamanitra talenta izy, toy ny fahaizany mitsabo sy ny fitantanana ny raharaham-bahoaka…”, hoy izy.

Tsy eto an-toerana Rajaonarimampianina sy Rajoelina

Nitondra ny teny fisaorana hatrany tamin’izao fahoriana izao, nanomboka teny Ivato, Ivandry, Antanimena  kosa ny Praiminisitra teo aloha, Beriziky Omer. Notsiahiviny ny lalana nodiavin’ny Pr Zafy. Ny toe-tsainy sy ny fomba fiasany. Ny maha “Rain’ny demokrasia” azy sy ny fivoizany hatrany ny fampihavanam-pirenena.

Tsiahivina fa halevina ny asabotsy izao any Betsiaka ny nofomangatsiakan’ny Pr Zafy. Misaona hatrany, midina eo amin’ny an-tsasany ny sainam-pirenena mandram-pahatongan’izany.

Nanamarika izao tranga lehibe eto amin’ny firenena izao ny tsy maha eto an-toerana ny filoha Rajaonarimampianina, mivahiny any Italia. Tsy eto koa ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.