Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Telma coupe de Mada» : lavon’ny Adema ny Elgeco Plus

Kitra – «Telma coupe de Mada» : lavon’ny Adema ny Elgeco Plus

Tontosa, omaly alahady,  ireo lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara «Telma coupe de Madagascar 2017», taranja baolina kitra. Tany Fianarantsoa, tafakatra amin’ny manasa-dalana ny AS Adema, rehefa nandresy ny Elgeco Plus, tany amin’ny fandakana ny «tirs au but », 4 no ho 1. Nisaraka ady sahala 3 no ho 3 mantsy ny roa tonta, tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna. Niady ary tena nahitana endri-dalao nahafinaritra ny fihaonan’izy ireo, izay efa diso mifankahalala tsara. Votsotra teo am-pelatanan’ny Elgeco Plus izany ny anaram-boninahitra azony, tamin’ny taon-dasa.

Hifandona amin’ny Cosfa eo amin’ny manasa-dalana izany ny AS Adema, eo amin’ity fifaninanana ity. Ny Miaramila, izay nanilika ny FC Ilakaka, tamin’ny isa mazava 3 no ho 0. Tany Mahajanga kosa, tafakatra ihany koa ny RTS Jet Mada, rehefa nandresy ny Otiv Ambatondrazaka, tamin’ny isa 3 no ho 1. Nisy anefa ny fandravan’ny mpitandro filaminana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ny lalao, satria tsy tokony ho azon‘ny mpijery atrehina. Notohizana ihany izany avy eo ary tontosa hatramin’ny farany. Tetsy ankilany, lavon’ny Fosa Juniors, tamin’ny isa 4 no ho 0, kosa ny Tam Port-Berger. Hikatroka eo amin’ny ankatoky ny famaranana izany ny Fosa sy ny Jet Mada. Hotanterahina ny 5 novambra izao, ny manasa-dalana, amin’ity “Telma coupe”, ity.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.