Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra malagasy : hanomboka ny 1 novambra ny fanavaozana ireo mpitantana

Kitra malagasy  : hanomboka ny 1 novambra ny fanavaozana ireo mpitantana

Notanterahina, ny asabotsy lasa teo  teny amin’ny Motel Anosy, ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), araka ny fangatahana nataon’ireo ligim-paritra miisa 19 amin’ireo 22, ny 24 marsa lasa teo.

Raha tsiahivina, nangataka ny hanatontosana ny fivoriambe, hanatontosana ny fifidianana izy ireo, telo volana taorian’ny nahalany an’i Ahmad  ho filohan’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf). Tsy nanaraka ny lalàna voarakitra ao anatin’ny fitsipika mifehy ny FMF anefa izany ka tsy azo notanterahina. Notinapaky ny komision’ny fifidianana kosa fa hanomboka ny 1 novambra ho avy izao ny fanavaozana ireo mpitantana isan’ambaratongany. Hanomboka izany ny seksiona, izay hotanterahina ny 1 ka hatramin’ny 19 novambra. Hanaraka izany kosa ny ligy, ka ny 9  ka hatramin’ny 23 desambra ny hanaovana izany ary daty tokana ny an’ny federasiona : ny 10 marsa 2018.

Nambaran’Andriamiasasoa Doda, filohan’ny federasiona am-perinasa fa efa filoha vaovao no hitondra ny baolina kitra eto Madagasikara, mialoha ny fihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Liona-n’i Téranga avy any Sénegal, izay hotontosaina eo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, ny 17 marsa 2018. Fihaonana, tafiditra amin’ny fifanintsanana ny Can 2019.

 

Mila mahafehy ny lalàna

Ankoatra izay, tsy naharay fangatahana avy amin’ireo ligy amin’ny andalana asiam-panovana na fanitsiana, amin’ny fitsipika anaty mifehy ny federasiona, ny komity mpitantana ka mijanona amin’izao. Nohamafisin-dRakotozafy Rosa, talen’ny fanatanjahantena federaly, fa tokony hamaky sy hahafehy tsara ny lalàna mifehy ny fanatanjahantena, ireo kandidà rehetra mirotsaka, mba tsy hisian’ny olana. Nanamafy izany rahateo ny solontenan’ny Komity olympika malagasy (Kom). Nampahafantarina, tamin’io fivoriambe io, koa ireo mpikambana eo anivon’ny komisiona ny fifidianana sy ireo delegem-paritra isaky ny ligim-paritra 22. Tsiahivina fa tsy tonga tamin’ity fivoriambe ity ny filohan’ny ligin’i Matsiatra Ambony sy ny avy any Vatovavy Fitovinany.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.