Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

63 ireo matin’ny pesta manerana ny Nosy, hatramin’ny zoma 13 oktobra teo, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC. Nahatratra 610 kosa ireo trangana pesta, manerana ny Nosy ihany io. Nomarihan’io vaovao avy any amin’ny BNGRC io kosa anefa fa efa maro tamin’ireo 610 voatily ho mitondra valanaretina pesta io ny nahazo fitsaboana ary efa nivoaka ny hopitaly.

Mbola hiato ny fampianarana sy ny fanadinana kasaina hatao eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, amin’ity herinandro diavina ity, araka ny toromarika avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony.

Notanterahina ny  faran’ny herinandro teo ny fanadiovana faobe teny amin’ny tsena CSBII Andravoahangy. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny felegen’ny mpivarotra sy ireo mpivarotra ary ireo fikambanana maro samy hafa nanadio ny tsena. Nisy ihany koa ny famendrahana ranom-panafody, mamono biby kely, mba ho fisorohana ny fihanakiny ny valan’aretina, toy ny pesta.

 

Les commentaires sont fermées.