
Toaka gasy 195 litatra no saron’ny zandary ao Ilaka Centre tanaty fiarakodia roa samy hafa ny zoma teo. Dimy lahy indray voasambotra voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ity trafikana toaka gasy ity. Tamin’ny alalan’ny fikaroham-baovao no fantatry ny zandary fa misy taksiborosy handalo eo amin’ny RN 7 mitatitra tavoahangy sy bidao misy toaka gasy. Nametraka sakana avy hatrany ny zandary ka niandry ny fandalovan’ny fiara teo amin’ny PK 222 teo amin’ny toerana atao hoe Ampahatsimbala fokontany Ambalatany Ilaka Centre. Noraisim-potsiny izy dimy lahy niaraka tamin’ireo toaka marobe. Nilaza izy ireo fa avy any Ambositra no niaingan’ireto toaka ireto ka izao tratra izao niaraka tamin’ireo mpanao trafika. Nanamafy ny eo anivon’ny zandarimaria fa voarara ary sazin’ny lalàna miaraka amin’ny lamandy ny fanaovana trafikana toaka gasy toy izao. Hodorana avy hatrany ireo toaka ireo aorian’ny fanadihadiana rehetra.
Jean Claude
Les commentaires sont fermées.