Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asam-pitsarana : hiverina hiasa ny mpirakidraharaha

“Eo anatrehan’ny fitokonana izay nataonay, nisy ny fiaraha-midinika tamin’ny tomponandraikitra. Nandray fepetra izahay mpirakidraharaha fa hiato ny fitokonana ary hiverina hiasa. Noho izany, manentana ny mpirakidraharaha rehetra manerana an’i Madagasikara izahay hiverina hiasa amin’ny alatsinainy.”

Izay ny fanazavan’ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha fitsarana, Randriambololona Haja, teny Anosy ny zoma teo. Voavaly avokoa amin’ny ankapobeny ny fitakiany hatramin’ny ny fanondrotana grady. Efa mba misy ihany ny lalan-kivoahana hahazoana manantena izany.

Satria nisy ny dinika fandrafetana volavolan-dalàna mifehy ny tetibola, taona 2018. Mba naroso tamin’izany ny hetahetan’izy ireo, na mbola tsy hita aza ny valiny hoe “Eny” na “Tsia”: efa mba misy ny finiavana.

Na izany aza, mikatso ihany aloha ny raharaham-pitsarana ankapobeny noho ny mbola fitokonan’ny SMM, mitaky ny fahaleovantenan’ny fitsarana, ny tany tan-dalàna, ny fampiharana didim-pitsarana…

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.