Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Arivonimamo : hihemotra ny « Telo andron’ny Havàtsa-Upem »

Raha ny fandaharam-potoana efa nomanina hatramin’izay, ny 18 oktobra ka hatramin’ny 20 oktobra izao ny hanatanterahana ny hetsika « Telo andron’ny Havàtsa-Upem Arivonimamo ». « Noho ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena, hihemotra ity hetsika lehibe ity », hoy Ravorombato Ony Lantoarimamy, filohan’ny sampana Havàtsa-Upem Arivonimamo. « Ny tena fotoana marina, tsy mbola notapahina fa na izany aza, tokony ho amin’ny volana novambra izao ny hanemorana ny « Telo andron’ny Havàtsa-Upem eto Arivonimamo », hoy izy. Ho voatazona hatrany kosa ireo asa hotanterahina ao anatin’ny telo andro. Anisan’ireny ny velakevitra, fampirantiana, sns.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.