Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antanifotsy : tratra ireo jiolahy namono olona eni-mianaka

Antanifotsy  : tratra ireo jiolahy namono olona eni-mianaka

Noraisim-potsiny tao Antanifotsy, ny herinandro teo ireo andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana narahina doro trano ka nahafaty olona eni-miankaa tao an-toerana, ny volana septambra 2017 teo. Tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny mpimasy iray mpanohana ireto olon-dratsy ireto. Raha tsiahivina ny zava-nitranga, ny alin’ny 20 hifoha 21 septambra 2017 no notafihin’ireo jiolahy ny tokantranon’ny mpivarotra ao Ambatofahafito Andrefana fokontany Ambatovaventy Antanifotsy. Rehefa tsy namoha trano anefa ny tompon-trano dia nitady hevitra hafa ireo olon-dratsy ka nandoro izany tamin’ny alalan’ny gazy ka nanempotra azy eni-mianaka tao an-trano. Nandeha ny fikarohana tamin’ny alalan’ny fifanakalozam-baovao teo anivon’ny mponina sy ny zandary. Teo koa ny fampiasana ny teknolojia avolenta eo anivon’ny fikarohana heloka bevava ary ny alika mpitsongo dia. Vokany, tratra ny jiolahy fito niaraka tamin’ilay mpimasy. Niaiky ry zalahy fa tena nanao ilay asa ratsy.

Jean Claude

Une réponse à "Antanifotsy : tratra ireo jiolahy namono olona eni-mianaka"

  1. maguy  16/10/2017 à 22:46

    Tena efa lasa bibiloha mihitsy ny akamarohan’ny gasy be sandry. Tsy misy fon’olombelona mitempo fa mitafy ka olona.
    Efa very ny fahendren-drazana hoe tain’omby mivadika misy tompony ka aza alaina.

Les commentaires sont fermées.