Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsy ara-dalàna : sekoly tsy miankina efatra tsy afaka hisokatra

     Efatra ny sekoly nangataka hisokatra ka tsy nahazo alàlana avy amin’ny tomponandraikitry ny Dren Analamanga sy ny sampana teknika mandinika ny antontan-taratasy tonga. Telo amin’ireo ao anatin’ny Dren Analamanga ary any amin’ny faritany kosa ny fahefatra farany. Iray amin’ireo sekoly telo ny sekoly tsy miankina International Academy of  Madagascar  (IAM) miorina eny Faralaza Talatamaty. Ao anatin’ny antontan-taratasy fangatahana, mitovy ny anaran’ny olona tompon’ny sekoly sy ny mpitantana azy Rakotoarimanana Tahiriniaina Andriampianina izay tsy azo atao mihitsy araka ny lalàna mifehy ny fanokanfana sekoly laharana 1032/2017/MEN. Mangataka ny hanao kilasimandry sy handray mpianatra kilasy mody ny sekoly nefa tsy ampy ny fanazavana mikasika izany. Ao anatin’ny fangatahana ihany (izay tonga teny amin’ny Dren ny 7 septambra lasa teo), miova ho ny Horizon Education for Madagascar indray ny tompon’ny sekoly ka sahiran-tsaina ny mpikarakara satria tsy mazava intsony ny resaka. Eo koa ny momba ny mpampianatra, 25 ny voalazan’ny antontan-taratasy nefa 11 monja ny manana taratasy mazava ary mbola tsy mahazo fahazoan-dalana hampianatra koa ny ankamaroany amin’ireo. Santionany hafa, tsy misy ny mpampianatra ny taranja “mathématique” ho an’ny sekoly mangataka ny hisokatra. Noho ireo antony ireo, averina eny amin’ny Cisco ny antontan-taratasy fangatahana hisokatra izay nolavin’ny tomponandraikitra. “Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna hita ao amin’ny fangatahana ka tokony hamerina hanao antontan-taratasy vaovao sy ampy ny mpangataka ary aterina eny amin’ny tomponandraikitra hatramin’ny avrily 2018 raha handray mpianatra ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 izy ireo”, hoy ny lehiben’ny Dren Analamanga, Andrianilanona Jery, omaly teny Analakely.

    100 ny fangatahana tonga eny anivon’ny Dren, 60 ireo afaka nisokatra satria ara-dalàna raha 20 ireo mbola manalasala ary telo ireo nahazo ny fandavana hisokatra.

     

    Sekoly iray eto an-dRenivohitra voatery nakatona

    15 ny sekoly tsy miankina ato anatin’ny Dren Analamanga efa nisokatra nefa tsy manana fahazoan-dalana hiasa sy handray mpianatra. Sekoly tsy miankina iray ao anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra no tsy afaka mandray mpianatra amin’ireo satria tsy nanaraka ny toromarika ary nakatona tanteraka. Ny 14 ambiny, mbola eo am-pamitana ny toromarika rehetra takina aminy.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.