Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Pesta ao Toamasina : nohitsihin’ny Dr Voahangy ny ben’ny tanàna

Raikitra ny fifamaliana eo amin’ny ben’ny Tanàna sy ny tompon’andraikitra. Tsy nitsitsy fitenenana ny dokotera Ramialisoa Norovoahangy,  nisolotena ny talem-paritry ny fahasalamana, nandritra ny valan-dresaka, ny alahady teo, tetsy Ambalamanasy. “Resin’ny pesta ny fitondram-panjakana ka tokony hiaiky fa resy ary tokony hanao antso avo amin’ny vondrona iraisam-pirenena, efa tsy voafehin’ny fitondram-panjakana ny pesta, variana fotsiny milalao antontanisa”  hoy, Ratsiraka Elysée, ben’ny Tanàna. Valin-kafatry ny Dr Ramialisoa Norovoahangy kosa fa tompon’andraikitra manakaiky vahoaka ny ben’ny Tanàna.

Misy tetibola nolanian’ny filan-kevitry ny tanàna hampiasain’ny kaominina amin’ny fanadiovana. Misy koa tetibola ho an’ny mpanara-maso ny fahasalamana BMH ka  tsy tokony hisy ny loto sy fako mivangongo etsy sy eroa”, hoy izy.  Tsikaritra ho mitombo ireo olona tonga manatona ny mpitsabo hanao fitiliana. Tsy ampy anefa ny mpitsabo misahana ny fizahana ny marary satria roa ihany izy ireo.

Raha ny loharanom-baovao voaangona tao an-toerana hatrany, vokatry ny fangalarana razana voan’ny pesta no vao mainka nahatonga ny fihombon’ny fiparitahan’ny valan’aretina. Ny

loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa tsy iray ihany koa ny razana voan’ny peta nisy nangalatra fa efa roa ka noentina any Farafangana ny faharoa.

Sajo

Les commentaires sont fermées.