Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Mondial 2018» : tafita i Nizeria sy i Egypta

Kitra – «Mondial 2018»  : tafita i Nizeria sy i Egypta

Hatreto aloha, mbola vao ny Voromaherin’i Nizeria sy ny Faraonan’i Egypta ihany no nahazo ny tapakila, hiatrehana ny dingana famaranana amin’ny “Mondial 2018”, tanterahina any Rosia. Ny Egyptianina, nandresy ny Demony menan’i Congo-Brazzaville, tamin’ny isa 2 no ho 1, tao amin’ny kianja Alexandrie, ny alahady lasa teo.  Io vokatra io, izay nametraka azy ireo ho voalohany tao amin’ny sokajy “E”. Mihintsana kosa izany ny Kongoley sy ny Ganeanina ary ny Ogandey, izay niaraka vondrona taminy. Izay indray izany vao hiverina hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ny Faraona, rehefa tsy tazana intsony, taorian’ny taona 1990. Anisan’ireo hanao “Mondial” ilay mpiandry tsatoby, Essam El Hadary, izay efa mananika ny 45 taona, ankehitriny, saingy mbola atokisan’ny Egyptianina tanteraka. Ankoatra an’i Egypta, efa tafita ihany koa i Nizeria. Mbola misy toerana telo hiadiana ho an’ny kaontinanta afrikanina, mandritra ny andro farany, amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, hatao ny 10 – 12 novambra ho avy izao.

 Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.