Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hanamafy ny fitsipika ny CUA : « Hosazina ireo manary fako eny an-dalambe… »

Hanamafy ny fitsipika ny CUA  : « Hosazina ireo manary fako eny an-dalambe… »

Namoaka fanambarana fanamafisana momba ny fahadiovana ny kaominina Antananarivo-Renivohitra (CUA). “Mahavoasazy ny fanariana fako eny an-dalambe. Hiparitaka manerana an’Antananarivo Renivohitra ireo mpisafo ny fahadiovana hanara-maso izany manomboka ny herinandro vaovao io. Mbola manentana sy manoro izy ireo amin’ny voalohany, saingy miditra amin’ny sazy amin’ny alalan’ny fandoavana lamandy kosa rehefa avy eo”, hoy ny fanambarana. Voalazan’ny fitsipika mifehy ny fahadiovana navoakan’ny kaominina izany ka tsy handefitra amin’ireo mandoto ny tanàna izy ireo, araka ny fanambarana.

Manohy ny asa fanadiovana tanàna koa ny CUA ka anisan’izany ny amin’ny tsena, ny lalana, ny toeram-pisakafoana… Arahina famendrahana fanafody mamono ny bibikely sy ny parasy ary ny mikraoba izany. Efa nanaovana izany ireo toerana fivezivezen’ny olona sy ny fiara mpitatitra. “Aoka hikajy hatrany ny fahadiovana isika hisorohana ny fihanaky ny aretina pesta sy ny valan’arentina hafa”, hoy izy ireo. Nohamafisin’ny CUA koa fa anjarany ny mamafa sy mitaona ny fako hatreo amin’ny daban-jaoridira na ny toerana fanariam-pako. “Andraikitry ny Samva, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Rano sy ny fitondrana foibe kosa ny mitaona ny daban-jaoridira na ny fako  ao anatiny amin’ny kamiao ary mitondra izany any amin’ny fanariam-pako”, hoy ihany ny fanambarana.

Synèse R.

 

 

Les commentaires sont fermées.