Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bemahatazana : mpivady voadoro tao an-tranony

Bemahatazana : mpivady voadoro tao an-tranony

Nitrangana asan-dahalo feno habibiana narahina vonoan’olona mampihoronkoditra indray tao Miarinarivokely fokontany Fiakarantsoa, kaominina Bemahatazana Tsiroanomandidy, ny herinandro teo. Kila forehitra niaraka tamin’ny trano ireo mpivady rehefa tsy nanaiky ny hanome vola ireo malaso. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, niditra an-keriny tao an-tanàna ireo dahalo tamin’io fotoana io ka nampihorohoro ny mponina ao an-toerana. Nandrahona ireo mpivady tao amin’ny tokantrano iray ry zalahy mba hanipy ireo vola avy eny ambony rihan’ilay trano satria izany rahateo no tena notadiavin’izy ireo. Tsy tafiditra tao an-trano rahateo ry zalahy satria nanohitra ilay raim-pianakaviana. Nentin-katezerana ireo dahalo ka nodoran’izy ireo avy eny ivelany ny trano rehefa avy nofantsihina. Nijoalajoala ny afo ka kila niaraka tamin’ny trano izy mivady. Tsy afa-nanoatra ireo mponina eo an-tanàna manoloana ireo dahalo mirongo fitaovam-piadiana. Hotohoton’ny afo niaraka tamin’ireo mpivady niharam-boina ny entana rehetra tao an-trano.

J.C

Les commentaires sont fermées.