Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsirabe : raim-pianakaviana voahitsaky ny kamiaobe

Antsirabe :  raim-pianakaviana voahitsaky ny kamiaobe

 Niparitaka ny atidohan’ilay raim-pianakaviana nitondra moto ka tafatsofoka tao ambany kamiaobe, tao Mandaniresaka Antsirabe, omaly maraina. Voalazan’ny loharanom-baovao fa nandeha moto hamonjy asa izy, saingy tra-doza tampoka. Nibolisatra teny am-pandehanana izy ka tafatsofoka tao ambany kamiaobe. Voahitsaka teo amin’ny lohany izy. Niparitaka eran’ny arabe ny ra. Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana. Notazonina eny amin’ny polisy kosa ny mpamilin’ilay kamiaobe.

J.C

Les commentaires sont fermées.