Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambanilalana (Dalle) – Itaosy : nisahotaka ny olona, lehilahy maty tampoka an-dalana

Ambanilalana (Dalle) – Itaosy  : nisahotaka ny olona, lehilahy maty tampoka an-dalana

Matin’ny pesta? Nisahotaka ireo mponina eny Ambanilalana (Dalle) Itaosy, omaly hariva raha nahita lehilahy maty tampoka an-dalana. Teo amin’ny tsena Dalle izy no nianjera rehefa tsy nahazaka ny tenany intsony. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty azy fa araka ny fanazavan’ireo nahita ny zava-nitranga teny an-toerana, nangataka rano tao amin’ny tsena iray izy, saingy tsy nanome ilay olona tao an-tsena ka niakarapoka nianjera avy hatrany rehefa niala kely ilay tsena nangatahiny rano. Toy ny olona avy any amin’ny hopitaly no fahitan’ny sasany azy, satria hita mbola nisy sparadrap, toy ny avy nasiana serum ny sandriny. Nahitana ra teo amin’ny akanjony sy nitondra bodofotsy izy, raha ny fanazavan’ny olona hatrany. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana amin’ny maha officier de police judiciaire azy ireo ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy.

Tsy mbola tonga teny an-toerana kosa ny dokotera nijery ny antony nahafaty tampoka ity lehilahy ity. Tsy fantatra na misy ifandraisany amin’ny trangana aretina pesta mahazo vahana amin’izao fotoana izao ity lehilahy namoy ny ainy ity fa toy izao koa ny nahazo ilay raim-pianakaviana nandoa ra ka namoy ny ainy koa teny Andrefan’Ambohijanahary, ny herinandro teo. Lasa miteraka fikorontanan-tsaina ho an’ny olona rahateo ity aretina pesta ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.