Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny asan-dahalo : tafapetraka any Ihosy ny rezimanta manokana BIA

Ady amin’ny asan-dahalo  : tafapetraka any Ihosy ny rezimanta manokana BIA

Araka ny tinapaka tamin’ny fanavaozana ny sehatry ny fandriampahalemana (RSS) teny Ivato, farany teo, napetraka any Ihosy ny Rezimanta iraisan’ny vondron-tafika iadiana amin’ny dahalo (BIA). Vondron-tafika ahitana mpilatsaka amin’ny helon’aina avy amin’ny RFI Ivato, ny tafika an-dranomasina manokana any Antsiranana, ny hery manokana any Ambatolaona, ny tafika an’habakabaka, sns. Nilaza ny filoha Rajaonarimampianina, nandritra ny fitokanana ny tobin’ny BIA any Ihosy, fa ho fitaratra tsy ho ela ny firenena amin’ny lafiny fampandrosoana ny tapany atsimon’ny Nosy. Hatao laharam-pahamehana ny fandriampahalemana hanatrarana izany.

Hampiasa ny fitaovana samihafa ny BIA, toy ny helikoptera, ny fiaramanidina madinika. Eo koa ny fitaovana niomerika amin’ny teknolojian’ny  fifandraisan-davitra (Tics) manaraka ny toetrandro (Tics), vatsin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampandrosoana ny niomerika (MPTDN). “Hitondra aina vao amin’ny fiarovana ny firenena ity rafitra vaovao hiadiana amin’ny asan-dahalo ity”, hoy ny minisitra Rakotomamonjy Neypatraiky.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.