Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Soamanandrariny : fasana iray nisy namaky, nakorontan’ny jiolahy ny razana

Soamanandrariny  : fasana iray nisy namaky, nakorontan’ny jiolahy ny razana

Mitohy ihany ny vaky fasana, ary isehoany matetika eny Soamanandrariny eny. Ny  zoma teo, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany hariva, nampilaza ny zandary tao Soamanandrariny ny lehilahy iray tompom-pasana fa nisy namaky ny fasany. Nidina teny an-toerana ny zandary ka hita tokoa fa nisy namaky ilay fasana. Nikorontana tao anatiny ary nasavoritak’ireo olon-dratsy ny razana. Tsy mbola fantatra mazava izay lasan’ireo mpamaky fasana tao anatiny. Mandeha ny fanadihadiana manodidina izany.

Anisan’ny resaka nandeha tany anaty tambajotra sosialy ny filazana, fa anisan’ny nampisy ny pesta teto amintsika ny vaky fasana. Tsy voamarina anefa izany, fa tranga mahazo vahana eto amintsika izy ity tao anatin’ny taona maro. Halatra taolam-paty sy zava-tsarobidy ampanarahana ny maty no lasibatr’ireo jiolahy. Hatramin’izao anefa, tsy voaporofo ny fisian’ny olona mpandray ireny taolana ireny sy ny antony ilana azy.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.