Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby à 7 – Can 2017 : azon’ny Makis de Madagascar ny medaly alimo

Rugby à 7 – Can 2017 : azon’ny Makis de Madagascar ny medaly alimo

 Tsy nitsanga-menatra mihitsy ny Makis de Madagascar, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny rugby à 7. Nahazo ny laharana fahatelo ny Makis de Madagascar, ary nandrombaka ny medaly alimo.

 

Tsara ny vokatra ho an’ny Makis de Madagascar “sénior” lehilahy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2017), ho an’ny rugby lalaovina olona fito. Fihaonana, nifarana ny asabotsy lasa teo, tany Ogandà. Nitana ny laharana fahatelo mantsy ny Makis ary nandrombaka ny medaly alimo.

Tsy nahamenatra ny zava-bitan’ny Makis de Madagascar, nandritra ity Can 2017 ity. Faharesena tokana, tamin’ireo lalao fito nataony, no vitan’ny ekipam-pirenena. Resin’i Zimbaboe, teo amin’ny manasa-dalana, ry zalahy. Ny Zimbaboeanina, izay efa niondrika teo anatrehany, tany amin’ny lalaom-bondrona.

Nisongadina ihany koa ny Makis de Madagascar satria hany firenena miteny frantsay, tafiditra tao anatin’ireo  efatra niatrika ny manasa-dalana, ary mbola nahavita nandresy ny Zambianina, teo amin’ny fiadian-toerana. Nanjakan-dry zareo miteny anglisy tanteraka mantsy ny lalao, hatramin’izay.

Noho ny endri-dalao tsara nataon’ny Makis, izay nampiaiky ny mpijery sy ireo teknisianina, nanatrika ity Can  ity, mety hahazo fanasana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena, hiatrehana ny “circuit mondial 2018” ny Malagasy. Mbola eo am-pandinihana izany, ireo tomponandraikitra ankehitriny.

Tsiahivina fa voahosotra ho tompondakan’i Afrika 2017,  ny Cranes Ogandà, rehefa nandresy an’i Zimbaboe, tamin’ny isa 10 no ho 7, teo amin’ny famaranana. Hisolo tena an’i Afrika, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao any San Francisco, ny volana novambra ho avy izao, izy roa tonta ireo.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.