Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raikitra ny Miss Menabe any Morondava

Raikitra ny Miss Menabe any Morondava

 Miditra amin’ny andiany faharoa, saingy hiavaka. Hotanterahina ao amin’ny Kimony Resort any Morondava, ny 11 oktobra izao, ny fifaninanana Miss Menabe. Efa nanomboka          ny 06 oktobra ny fifanintsanana “casting”, ao amin’ny Eden Rock. Anisan’ny fepetra ho an’ireo tovovavy hifaninana ny fe-taona 18 hatramin’ny  24 taona. Tsy mbola niteraka ary manana halavana 1,60m farafahakeliny. Mpifaninana mahalala ny faritr’i Menabe toy ny fomba amam-panao, ny kolontsaina, ny toerana manana tantara. “Ho lasa masoivoho eo anivon’ny firenena mikambana na ny Unicef ny tovovavy voafidy eo. Ho lasa fitaratra sy hitondra avo ny voninahitr’i Menabe eo amin’ny hatsaran-tarehy ny ho lany eo ary ho rehareha sy hametraka ny  lazan’ny faritr’i Menabe maneran-tany koa”, hoy ny mpikarakara ny fifaninanana, Romule. Nambarany fa anisan’ny antony nanaovana izao hetsika izao ny maha faritra voalohany andehanan’ireo mpizahatany ny any Morondava sy ny any Menabe.

Tsiahivina fa anisan’ny mpanakanto hanafana ny lanonana i Matsubara. Etsy andaniny, hisy  fiara mitatitra maimaim-poana hiala eo amin’ny Delice marin, mihazo ny eny amin’ny Kimony Resort.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.