Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hanambatra ny heriny ny vovonan’ny Sakalava

Hanambatra ny heriny ny vovonan’ny Sakalava

Naseho ny herinandro teo ny birao nasionalin’ny vovonan’ny Sakalava  ( PGSM). “Iombonan’ny fikambanan-drazana avy amin’ireo foko taranaka sakalava izy ity. Tarigetra ny hampitambarana ny hery hoenti-mampandroso ny faritra isanisany misy ireo taranaka ireo”, hoy ny filoha vaovao Zafy Fihaora Robson. Maneho izany ny firafitry ny birao vaovao. Avy amin’ny Masikoro ny filoha ary manana filoha lefitra isanisany kosa ny foko rehetra.

Ankoatra izany, tapaka fa ho mpikambana avy hatrany eo anivon’ny birao nasionaly avokoa ny filoha nitantana ny vovonana teo aloha  sy ny Ampanjaka  na Tangalamena.

Notaterin’ny filoha lefitra, Rambeloson Mino kosa ny fandraisana anjaran’ny PGSM tamin’ny  hetsika ara-kolontsaina Masikoro nanasana ny birao tany Ankilimalinika. Voaasan’ny Fitiba hanatrika ny hetsika hatao any Morondava koa izy ireo. Eo koa ny hanomezam-boninahitra ny fananganana tsangambato ho an’ny PGSM any Mahajanga.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.