Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FM Foi : hankalaza ny faha-20 taona nijoroany

FM Foi  : hankalaza ny faha-20 taona nijoroany

Feno 20 taona amin’ity taona ity ny radio FM Foi sy ny fiangonana FM Foi. “Ny 15 oktobra ho avy izao ny fotoan-dehibe entina mankalaza izany, ary maro ny hetsika hatao hanamarihana izany hatrany amin’ny paska amin’ny taona ho avy”, hoy ny fanazavan’ny apostoly Benjamina, lehibe mpitarika ny fiangonana. Ny taona 1997 no nisokafan’ny fiangonana ka teny ankalamanjana ny niatombohan’izy ireo tamin’izany. “Olona vitsy kely ny niantombahanay, efa mahatratra 30.000 ny isan’ny mpiangona manerana ny Nosy ankehitriny, ary efa misy ny zanaka am-pielezana any ivelany”, hoy ny fanazavana. “Nivahiny tany anaty radion’olona ihany koa tany amboalohany, kanefa amin’izao anisan’ny fiangonana zandriny manana radio matanjaka tsy miankina sady tsy misy fitadiavam-bola ny FM Foi”, hoy ny fanamafisana.

Manao hetsika ihany koa ny fiangonana amin’izao fihanaky ny pesta izao. “Ankoatry ny fanentanana ny mpiangona sy ny mpihaino radio amin’ny fitandroana ny fahadiovana, ny asa sosialy midina manadio, manao vavaka sy fifandian-kanina tsy misy fetra ihany koa ny mpitarika rehetra ary tsy hijanona izany raha tsy foana ny pesta”, hoy ny pasitera Benjamina.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.