Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Depiote Razanamahasoa C. : “Kolikoly ny “4 x 4″…”

Depiote Razanamahasoa C. : “Kolikoly ny “4 x 4″…”

“Raha mandre hoe homena fiara 4 x 4, hono, izahay dia handany an’io fanitsiana ny lalàmpanorenana sy ny hanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka io: homena anay izany fiara 4 x 4 izany. Amiko aloha: mampandre ny vahoaka, indrindra ny tomponandraikitra ao amin’ny Bianco, aho, fa kolikoly izany.”

Izay ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka Mapar, Razanamahasoa Christine, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny resabe hoe homena fiara 4 x 4 ireo solombavambahoaka ho tambin’ny fandaniana ny volavolam-panitsiana ny lalàmpanorenana kasain’ny fahefana mpanatanteraha hatao?

Misy kolikoly izany mba handaniana ny volavolam-panitsiana lalàmpanorenana, araka ny fanazavany. Raha, ohatra, hoe misy ny fiara 4 x 4 ho an’ny solombavambahoaka, fa mividy izy ireo: mividy izy ireo fa zony ny mahazo izany. Afa-mividy tsara izany amin’ny alalan’ny fandoavana tsikelikely izy ireo.

Tsy maintsy mila ny roa ampahatelon’ny solombavambahoaka sy ny loholona aloha izay hoe fanitsiana lalàmpanorenana izay vao haroso hodinihina. Rehefa raikitra izay fandinihana izay, tsy maintsy mila ny telo ampahefatry ny solombavambahoaka sy ny loholona amin’ny tsangan-tanana fanekena izany. Izay vao halefa amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka.

“Raha tena manana hazondamosina ny solombavambahoaka sy ny loholona, ka tena handinika lalina hoe: fotoana hahafahana manova izany lalàmpanorenana izany ve aloha izao? Eo koa ny hoe: laharam-pahamehana ve izany?” hoy izy.

R. Nd.

Une réponse à "Depiote Razanamahasoa C. : “Kolikoly ny “4 x 4″…”"

  1. RADO Nambinina  09/10/2017 à 10:11

    Fa hoentina hoaiza ity firenentsika ?
    Ny fanitsiana na fanavaozana ny lalam-panorenana ve no maha maika sa ny fahantrana , ny tsy fandriampahalemana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy ?

Les commentaires sont fermées.