Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady totohondry : nofoanana ny “inter-îles”

Ady totohondry  : nofoanana ny “inter-îles”

Tsy raikitra fa nofoanana  ilay ady totohondry “inter-îles”, saika hikatrohan’i Madagasikara sy i Seychelles. Fihaonana tokony hatao ny 11 ka hatramin’ny 14 oktobra, ho avy izao. Noho ny fisian’ny valanaretina pesta, eto Madagasikara, ny anton’izany. Raha tsiahivina, saika hanao ady fihantsiana sy hifampizara traikefa amin’ny mpikatroka malagasy ry zareo Seiseloà. Tsy ho avy indray, araka izany, izy ireo.

Hatreto, tsy mbola misy ny fotoana voatondro fa hanatontosana izany fihaonana izany. Tsiahivina fa efa nisy mpanazatra basikety avy any Seychelles, maty teto Madagasikara, ny zoma 29 septambra lasa teo, izay nanatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI 2017). Matin’ny aretina pesta izy io. Taorian’izay, nandray fanapahan-kevitra ny minisiteran’ny Fanatanjahantena fa tsy azo natrehina ny lalao famaranana, tamin’io fifaninanana io, nitohy tamin’ny tsy fahazoana manatontosa lalao hitangoronana olona intsony. Miandry ny fanapahan-kevitry ny fitondrana izany ny rehetra vao afaka manohy ny fandaharam-potoany ny federasiona sy ireo ligim-paritra.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.