Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tarika Feo fitiavana : hivoaka ny “Ny fitiavana no mampiray anay”

Tarika Feo fitiavana  : hivoaka ny “Ny fitiavana no mampiray anay”

Niorina tany Morondava, ny taona 2004, ny tarika Feo fitiavana. Manompana ny talenta nomen-janahary azy ho amin’ny asa fitoriana an-kira izy folo mianadahy mandrafitra ny tarika. Misandrahaka amin-gadona maroloko (mihetsika sy milamina) ny tarika. “Ny fitiavana no mampiray anay”, santa-bokatry ny Feo fitiavana. Hira sivy ny mandrafitra ity kapila mangirana ity. Tsongaina amin’ireny ny “Maro no nantsoina”, “Ianao ilay mahagaga”, “Vonjeo”… Tanjona ho an’ny tarika ny hampitodika mandrakariva ny olombelona amin’ilay Ray Nahary mba tsy ho tojo hakiviana am-pamakivakiana ny fiainana an-tany.

Mampiavaka ireo mpikambana ny fananana feo matanjaka sy ireo tononkira mirakitra hafatra mafonja mora mahadona ny fo amam-panahin’ireo mihaino izany.

Nangonin’: HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.