Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Orinasa Star : nanome fitaovana ny ESSVA Antsirabe

Orinasa Star : nanome fitaovana ny ESSVA Antsirabe

Anisan’ny sehatra hitondran’ny vondron’orinasa Star anjara biriky ny fanabeazana eto Madagasikara. Nisy ny fifanarahana izay nosoniavina tamin’ny taona 2014, teo amin’ny Star sy ny  Ecole supérieure spécialisée du Vakinakaratra (ESSVA), mba hanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony any an-toerana. Nifototra tamin’ny fanomezana fitaovana isan-karazany, fanavaozana ny sekoly, fandraisana ireo mpianatra manao fikarohana sy mianatra asa, fandraisana ho mpiasa, sns, izany.
Ho tohin’izay fiaraha-miasa izay, nanokatra lalam-piofanana vaovao, mahakasika ny fampandrosoana maharitra ny ESSVA, ka hanome mpampiofana kosa ny Star. Ankoatr’izay, nanome ordinatera, “vidéoprojecteurs”, sns, izay mitentina 10 tapitirsa Ar ihany koa izy ireo. Nanamafy hatrany ny sekretera jeneralin’ny vondrona Star fa mitohy ny fanohanana ny fanabeazana ao Vakinakaratra, faritra misy ny orinasa lehiben’ny Star.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.