Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisiteran’ny Fampianarana ambony : notolorana fitaovam-pianarana ny zanaky ny mpiasa

Minisiteran’ny Fampianarana ambony  : notolorana fitaovam-pianarana ny zanaky ny mpiasa

Nizarana fitaovam-pianarana ny zanaky ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Ireo mbola mianatra eny amin’ny ambaratonga fototra no nahazo izany avy amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony, Rasoazananera Monique. “Efa hetsika fanao isan-taona ny toy izao ho fanampiana ny ray ama-dreny amin’ny fampidirana an-dakilasy ny kilonga”, hoy ny nambarany. Na mbola tsy minisitra aza ny tenany fa nitazona andraikitra tao amin’ny fampianarana, nanao fanampiana tahaka izao hatrany. Ankizy manodidina ny 200 eo ho eo no nomena fitaovam-pianarana omaly teny Fiadanana. Manana sampandraharaha 30 mahery ny minisitera iray manontolo hatramin’ny sampana fikarohana amin’ny siansa.

Raha tiana ho tody hatramin’ny oniversite ny kilonga, mila karakaraina ety amin’ny fototra ka izay ny anton’ny tohana tahaka izao”, hoy ny fanazavany ihany.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.