Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Lalao ara-pirahalahiana : resin’ny Barea 2 no ho 1 i Ogandà

Kitra – Lalao ara-pirahalahiana  : resin’ny Barea 2 no ho 1 i Ogandà

Lavon’ny Barea, tamin’ny isa 2 no ho 1, tao amin’ny kianja filalaovany, omaly alarobia, ny The Cranes, Ogandà, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana. Niady ny fihaonan’ny roa tonta. Nanantombo teo amin’ny isan’ny fanafihana ry zareo Ogandey, teo amin’ny 25 mn voalohany. Nibodo  tao amin’ny tanin’ny Barea izy ireo ka nanahirana ny vodilaharana malagasy, nisy an’i Deba Kely sy i Bolida ary i Bapasy, nampian’i Fontaine. Vokatr’izay, tratry ny fikoropahana ry zalahy, ka nanao tolotra tsy tonga volana, izay voatsoriakan’i Mutyaba, ary nampiditra izany, teo amin’ny minitra faha-31. Io isa tokana, 1 no ho 0 io, no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Nanasahala ny isa ny Barea, teo amin’ny minitra faha-47, tamin’alalan’ny “pénalty” matin’i Carolus. Mbola nampiany indray izany, tany amin’ny minitra faha-85 ka nitarika 2 no ho 1 ny Barea. Niezaka nanasahala ny isa ry zareo The Cranes, taorian’izay, saingy tsy nahavaky ny fiarovantena malagasy intsony.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.