Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antohomadinika : ankizivavy voatily fa voan’ny pesta aretin-tratra

Antohomadinika : ankizivavy voatily fa voan’ny pesta aretin-tratra

Nametrahana toeram-pitiliana tranga mampiahiahy sy fandraisana an-tanana ny toeram-piantsonan’ny taksiborosy rehetra eto Antananarivo. Anisany ny eny Antohomadinika, ahitana ny fiara mampitohy an’Antananarivo sy Ambatondrazaka. Nisy ankizivavy iray (manodidina ny folo taona mahery eo ho eo) mponina eny amin’ny manodidina ihany, nanao fitiliana TDR (Test de diagnostic rapide) satria hita teny aminy avokoa ny fambaran’ny soratr’aretina. Nivaly avy hatrany fa voan’ny pesta aretin-tratra izy ary nomena ny fanafody fitsaboana.

Nanambara koa ny minisiteran’ny Fanabeazana momba ilay ankizy 13 taona fa tena pesta no nahafaty azy teny Ankadikely. Mponina ao Amboanjobe, kaominina Ranovao Manjakandriana, izy. Nentina notsaboina teny amin’ny mpitsabo nentim-paharazana teny Ankadikely Ilafy ilay ankizivavy ka taraiky ny fandraisana an-tanana teny amin’ny tobim-pahasalamana. Handraraka fanafody amin’ny sekoly misy ao amin’io kaominina io ny minisitera.

Nisy koa ny filankevitra manokan’ny governemanta niarahana amin’ny mpiray ombon’antoka teknika momba ny valanaretina pesta ihany.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.