Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambato Boeny : dahalo 11 matin’ny miaramila mpampandry tany

Ambato Boeny  : dahalo 11 matin’ny miaramila mpampandry tany

Nifandona ny miaramila mitambatra sy ny dahalo, tany Ambato Boeny ka nahafatesana dahalo11 tamin’izany. Enina kosa ireo azo sambom-belona tamin’izany ka sarona tany amin’ireo ny basim-borona telo sy P.A vita gasy.

Araka ny fanazavana, ny zoma 28 septambra teo, nisy fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany Manongarivo, kaominina ambanivohitr’i Sitampiky, distrikan’Ambato Boeny. Lasan’ny dahalo tamin’izany ny omby miisa 127. Be no ho vitsy ireo mponina satria mitam-basy ireo mpanafika ka tsy sahy nanohitra.

Rehefa lasa ireo dahalo, niantso mpitandro filaminana ny mponina. Nalefa tany an-toerana ny andiana miaramila mitambatra  manao hetsika fampandriana fahalemana amin’iny faritra. Nanao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana izay nahitana miaramila valo avy  amin’ny tafika malagasy sy ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana tamin’ireo dahalo ka taorian’izany, tafaverina soa aman-tsara  amin’ny tompony ny omby 126 voaroba fa  omby iray no maty novonoin’ny dahalo.

Nandritra io fifampitifirana io, maty voatifitra ihany koa ny mpanara-dia iray ary iray hafa naratra.

Manenjika dahalo koa ny tafika

Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro filaminana amin’ny famerenana indray ny fandriampahalemana na an-tanàn-dehibe  ary indrindra,  any ambanivohitra, ka maro ireo hetsika mifandraika amin’izany mba hahafahan’ny vahoaka miatrika amim-pitoniana ny asa amam-draharaha andavanandro sy ny fampivoaram-pirenena amin’ny ankapobeny”, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tafika. “Maro ny vokatra azo vokatry ny hetsika rehetra amin’ny fampandriana fahalemana ary santionan’ny fahombiazan’ny fandraisan’anjaran’ny miaramila sy ny fiaraha-misalahy amin’ny fokonolona izao nahitam-bokany tany amin’ny faritra Ambato Boeny izao”, hoy ny fanamafisana.

Ny fitohizan’ny hetsika no tena andrasan’ny vahoaka, indrindra ny any ambanivohitra. Matetika mantsy, mandalo ao anatin’ny fotoana voafetra ihany ny fampandrian-tany ataon’ny mpitandro filaminana. Efa mahazo takaitra ny olona vao tonga ireto farany. Rehefa vita ihany koa ny asan’ireo, miverina indray ny asan-dahalo. Ny fepetra maharitra no takin’ny vahoaka fa tsy vonjy tavanandro.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.