Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zouzar Bouka : anisan’ny 100 voalohany ao amin’ny Forbes

Zouzar Bouka  : anisan’ny 100 voalohany ao amin’ny Forbes

Hita soritra ao anatin’ny gazety boky Forbes mpanadihady ny toekarena eran-tany ny orinasa malagasy Vision Madagascar. Feno 100 taona izao io gazety boky io, ka anisan’ny voafidin’i Warren Buffet ao anatiny i Madagasikara, noho i Zouzar Bouka, ao amin’ny Vima, anisan’ny mpandraharaha mpitarika 100 voalohany maneran-tany, araka ny fanadihadiana navoakan’ny Forbes. Izy izany ny voasingana miaraka amin’i Gates, Bezos, Zuckerberg, sy ny maro hafa. Mampiavaka an’i Zouzar Bouka, noho ny toerany aty Afrika, iray amin’ireo mpampiasa vola goavana, hita any amin’ny tsenan’ny Sadc, Comesa.

Fantatra ihany koa ny anarany ao amin’ny tsenan’ny Agoa, sy ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona eoropeanina. Betsaka ny zava-bitan’ny Vima amin’ireo tsena iraisam-pirenena ireo, manome endrika ny toekarena malagasy, indrindra ny sehatra tsy miankina. Nahafantarana io vondrona orinasa io koa eo amin’ny famokarana angovo, Symbion, fa eo ihany koa ny asa ataony amin’ny fambolen-kazo an’arivony hekitara maro, fanamboarana ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo. Orinasa malagasy misongadina ao anatin’ny Forbes ny Vima.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.