Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Mandeha ny famotorana momba ny fahafatesana dokotera iray teny Imerintsiantosika ny herinandro teo. Ity farany izay voalaza fa maty nisy namono tao an-tranony. Voatifitra izy raha araka ny fanazavana azo avy tamin’ny olona manodidina. Tsy nanamafy izany kosa anefa ny zandary rehefa nanontaniana. Fantatra fa herinandro talohan’io no nisy telo lahy niditra an-keriny tao an-tranony izay sady biraony ihany koa. Notifirin’ireo bigboss izy ary  safotra tao. Manahy ho vonoan’olona niniana natao ary tsy misy ifandraisany amin’ny fanafihana ity tranga ity.

Tsy mbola votsotra ilay karana nisy naka an-keriny teny Isoraka ny herinandro teo. Tsy mbola nahazoam-baovao ny fianakaviany. Fantatra fa efa nisy ny famotorana nandeha ka anisan’ny nohenoina tamin’izany ny mpiambina azy manokana izay voalaza fa polisy. Miandry izay vokatry ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ny rehetra.

Les commentaires sont fermées.