Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sesilany ny fanehoan-kevitra : tsipahin-dRavalomanana ny hanitsiana lalàmpanorenana

Sesilany ny fanehoan-kevitra  : tsipahin-dRavalomanana ny hanitsiana lalàmpanorenana

Mitsipaka marindrano ary mitovy hevitra amin’ny rehetra. « Tsy mankasitraka ny hanitsiana ny lalàmpanorenana izahay. Anjaran’ny filoha ho voafidy ny manao izany hifanaraka amin’ny politikany sy ny fampandrosoana ny firenena fa tsy amin’izao hamaranana ny fe-potoam-piasana izao akory”, hoy izy teny Ambatoroka, omaly. Anisan’ireo voaasa nanatrika ny fetim-pirenen’i Alemaina ny tenany.  Nanteriny fa tsy mankasitraka izany fanovana lalàmpanorenana izany avokoa ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanao politika, hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza. “Aleo handeha amin’izao aloha. Mino aza aho fa tsy ho tanteraka izany satria mbola olana ny hoenti-manana sy ny fotoana”, hoy ihany izy.

Momba ny fihanaky ny pesta kosa, nambarany fa anisan’ny mahatonga izany ny fahantrana sy ny loto. Nohitsiny anefa fa tokony hahazo ny anjara volany ny kaominina Antananarivo sy i Toamasina. Eo koa ny fizarana andraikitra nefa tsy tokony hifanilihana izany.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.