Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Naiditra am-ponja eny Antanimora : tratra nitondra rongony ilay sinoa

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny Sinoa iray nikasa hitondra rongony ho any Guangzhou, ny alahady teo. Ity farany izay efa nandrasan’ny zandary teny Ivato noho ny vaovao azon’izy ireo fa misy Sinoa mitondra zava-mahadomelina haka fiaramanidina eny an-toerana. Vao niala taxi izy io no nokasaina hosavaina, kanjo namaly ary nahavita nandaka ny zandary. Nitsoaka tany amin’ny polisin’ny Paf izy io, ka nalaina tao. Efa nifandresen-dahatra nandritra ny ora maro vao nanaiky. Tratra tao aminy ny fonosan-drongony nasisika tao anaty boaty iray. Notazonina izy io ny alahady teo, ary natolotra ny fampanoavana, omaly, ka naiditra am-ponja.

Araka ny lalàna, tsy azo atao ny mifoka, mivarotra, mitondra rongony eto an-toerana na mivoaka any ivelany. Mampiditra am-ponja izany ary porofo ity sinoa any Antanimora ity.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.