Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Gabhy Vakiniadiana : « Mialà fa tsy mahavita azy »

Tsy nitsitsy fitenenana. “Voaporofo ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra amin’izao tranga miseho izao. Tsy resaka pesta ihany fa teo koa ireny tundra-drano sy haintany ireny… Amiko, tokony hiala fa tsy mahavita azy ianareo. Maro ny mahavita sy manampahaizana eto amin’ny firenena”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Vahoaka miray (Vami), Gabhy Vakiniadiana, omaly. Nohitsiny fa fambara loza noho ny adilahy politika ataon’ny mpitondra avokoa izany rehetra izany. Notsiahiviny fa gejain’ny fitondrana ny volan’ireo kaominina. “Tsy ny eto an-dRenivohitra ihany fa ny maro… Manan-kambo koa anefa ny kaominina sasany, toy ny CUA, ka izao ny vokany. Zary lasa ifanilihana ny fihanaky ny pesta…”, hoy ihany izy. Nanteriny fa mikorontana tanteraka ny fiainan’ny fiaraha-monina noho ny tsy fandraisan’andraikitry yn fanjanakana, amin’ny sehatra rehetra. Lasa lavitra mihitsy aza ny ahiahin’ity mpanao politika ity fa misy ambadika avokoa izao rehetra izao. “Mety ho karazan’ny fitadiavam-bolan’ny mpitondra amin’ireo mpamatsy vola hiatrehana fifidianana indray izao. Hangataka etsy sy eroa, toy ny efa nataony tamin’ny rivodoza farany teoVokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy mandrindra ny fiainam-pirenena koa izany ”, hoy i Gabhy Vakiniadiana.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.