Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa mihasalama Rah-Ckiky : manahy vonoan’olona niniana natao ny fianakaviany

Efa mihasalama Rah-Ckiky : manahy vonoan’olona niniana natao ny fianakaviany

Efa mihatsara ny fahasalaman-dRah-Ckiky, araka ny filazan’ny fianakaviany fa tsy araka ny tsaho mandeha omaly hoe maty izy io. Manahy kosa anefa ny fianakaviany fa mety ho vonoan’olona niniana natao ity fomba namonoana azy ity. Efa misy ny fitoriana mipetraka eny aminy mpitandro filaminana. Ity mpanakanto ity izay fantatra fa nitarika olona hatrany tamin’ny ady atao amin’ny resaka tany any Toamasina any. Nisy ny fandrahonana talohan’ity  tranga ity, ary izao niafara tamin’ny fikasana hamono izao.

Raha tsiahivina, niharan’ny herisetran-jiolahy nitondra antsy tao an-tranony ao Tsarahonenana Betainomby Toamasina, ny alahady teo, Rah-Ckiky. Mbola tao anatin’ny torimaso izy sy ny vady aman-janany no tonga ireo olon-dratsy. Norasarasain’ireo jiolahy ny antsy izy ka naratra mafy tsy nahatsiaro tena. Nentina tany amin’ny hopitaly nanaraka fitsaboana ary izao miroso amin’ny fahasalamana izao.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.