Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatovy : drafi-piarovana manokana ho an’ny gidro

Ambatovy : drafi-piarovana manokana ho an’ny gidro

Manana drafi-piarovana manokana ho an’ny gidro ny terikasa Ambatovy. Antony, anisan’ny zavamananaina miavaka sy amantarana an’i Madagasikara ny gidro. Nampahafantarin’Ambatovy bebe kokoa ny asa ataony nandritra ny hetsika manokana “Festival Indri Indri” (babakoto), natao tany Andasibe ny 16 sy 17 septambra teo. Ataon’Ambatovy ho laharam-pahamehana ny fiarovana azy satria nosokajin’ny vondrona iraisam-pirenena miaro ny zavaboahary (UICN) ho tena atahorana ho lany tamingana ny babakoto.

Manodidina ny 45 ny isan’ny babakoto voaisan’Ambatovy, mitsinjara anaty vondrona (fianakaviana) 14. Tena ahitana azy any anatin’ny alan’Analamay any Ambatovy. Hametrahana fitaovana fehin-tenda manokana izy ireo ahafahana manaraka azy.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.