Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady totohondry – «Mada 2017» : voalohany Analamanga, nahazo volamena valo

Ady totohondry – «Mada 2017»  : voalohany Analamanga, nahazo volamena valo

Tontosa, ny alahady lasa teo tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny ady totohondry. Nanjakan’ny ligin’Analamanga ny fihaonana satria nandrombaka medaly volamena miisa valo, tamin’ireo 21 niadiana izy ireo. Anisan’ny nahazoany izany ny teo amin’ny tovovavy – 48 kg, lasan-dRavelonjanahary Vatosoa, sy ny – 51 kg azon-dRatovoarisoa Miora. Mbola nisongadina koa ry zareo teo amin’ny «Elite» vehivavy ihany, izay nahazoany fandresena roa : ny teo amin’ny -57 kg lasan’i Milantolantosoa Studie sy ny teo amin’ny -64 kg, azon-dRavoniharisoa Voahangy. Tsy teo amin’ireo ihany fa nisy koa ny anaram-boninahitra lasany, teo amin’ny «Elite» lehilahy. Nitana ny laharana faharoa, nahazo medaly volamena fito ary fahatelo, namarana ny lampihazo ny ligin’Itasy, nahazo fandresena miisa telo.

Tsiahivina fa nahatratra 210 mianadahy ireo mpanao ady totohondry niatrika iny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara iny, izay avy amin’ny ligim-paritra miisa 10. Tsy afaka niatrika ity fihaonana ity kosa i Melaky sy Alaotra Mangoro.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.