Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nitohy ny sakoroka tao Barikadimy : nodoran’ny mpianatra ny fiaran’ny prezidan’ny oniversite

Nitohy ny sakoroka tao Barikadimy  : nodoran’ny mpianatra ny fiaran’ny prezidan’ny oniversite

Nitohy, omaly, ary vao mainka nihahenjana ny fitokonan’ny mpianatry ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina. Tonga amin’ny fihoaram-pefy mihitsy aza, satria  kila nodoran’izy ireo ny fiarakodian’ny prezidan’ny oniversite.
Nahery vaika ny hetsiky ny mpianatra any amin’ny oniversiten’ i Barikadimy Toamasina, omaly. Raha ny nambaran’ izy ireo tamin’ny voalohany, fitokonana fanairana natao ny alakamisy teo, ary izao nitohy omaly izao izany. Efa nisy ihany ny fandorana kodiarana sy ny fanaparitahana nataon’ny Emmo/Reg ny mpianatra, ny alakamisy teo.

Omaly anefa, niakatra ny hafanana ka niafara tamin’ny fandorana ny fiaran’ny filohan’ny oniversite ny raharaha. Ity farany izay nanambara ihany fa fiara efa tsy nampiasaina intsony io kila forehitra io. Nanamafy izy fa efa eo am-pikarakarana ny vatsin-pianaran’ny mpianatra ary hampiditra ihany koa izay tsy tafiditra teo aloha.

Ankoatra izay, nisy ireo mpianatra nanao fanadinana tao an-toerana ka voakorontana nandritra ity hetsiky ny mpianatra ity. Voalaza fa nisy mihitsy ny fandrovitana ny taratasim-panadinan’ny mpianatra tamin’izany.

Vokany, tsy nikely soroka, noho izany, nanoloana ny fihoaram-pefy ny mpitandro filaminana ka nisy ihany ny mpianatra nosamborina kanefa raha ny loharanom-baovao farany, efa navotsotra ihany izany ny tolakandro teo.

Tsy miraharaha mpianatra
Raha ny fanazavan’ ireo solontenan’ny mpianatra, momba ny tokony hizarana ny trano vaovao sy ireo vao nasiam-panamboarana ary fampidirana herinaratra sy rano, indrindra ny fizarana vatsim-pianarana, ny anton’ny fitakian’ izy ireo. “Nahoana no mizotra soa aman-tsara ny fanitarana ny
biraon’ny prezindasy etsy Ambodimanga kanefa ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, tsy hefaina. Ankilany ny fakam-bola amin’ ireo mpianatra hiditra amin’ny fifaninanana ho taona voalohany, mitaky ny mangarahara izahay”, hoy izy ireo.

Niverina tamin’ny laoniny ny filaminana tany Barikadimy, omaly hariva. Nilaza ny tompon’andraikitra fa hivoaka tsy ho ela ny vatsim-pianarana. Tsy nisy resaka kosa ny momba ny fizarana ireo trano vaovao sy ny nasiam-panamboarana. Ireo trano ireo, na ny eny Ankatso aza, tsy mbola nisy nomena ny mpianatra. Tsy fantatra mazava ny anton’izany. Mety hitarika olana hatrany anefa io raha tsy misy ny fanazavana matotra.

Sajo sy Yves S.

2 réponses à "Nitohy ny sakoroka tao Barikadimy : nodoran’ny mpianatra ny fiaran’ny prezidan’ny oniversite"

  1. Estella  30/09/2017 à 11:32

    Hita mibaribary izao ny tsy fahaiza mitantana ny filohan’ny Oniversite Barikadimy satria manao ambany ny fiainany mpianatra amin’ny fandoavana ny vatsim pianarana tokony alohany fa aleony nanitatra ny tranon’ny Prezidansa eny AMBODIMANGA

  2. njarasoa  30/09/2017 à 13:36

    fitondrana tsy mahavaha olona mihitsy ity HVM ity!kanefa mbola hilatsaka ihany ono!

Les commentaires sont fermées.