Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanentana ny fahadivovana ny faritra Analamanga

Nanentana ny fahadivovana ny faritra Analamanga

 Miditra an-tsehatra sy hatreny ifotony. Nanentana ny rehetra ho amin’ny fahadiovana ny eo anivon’ny faritra Analamanga. Nidina teny anivon’ny boriborintany III izy ireo, omaly, sady nanao antso avo ho an’ny rehetra koa. “Aoka mba samy handray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina, mialoha izao fahavaratra izao. Ilaina ny fanentanana ny mpiara-belona, tahaka izao, ary tokony hanao izany avokoa ny distrika rehetra eto Analamanga, hatreny anivon’ny fokontany”, hoy ny lehiben’ny faritra, Rakotonanahary Ndranto. Nambarany fa tokony ho resy lahatra ny rehetra amin’ny fahadiovana satria isika ihany no mandoto. “Tokony hanadio koa isika… Miara-misitraka zavatra tsara sy mahafinaritra avy eo ny rehetra. Aoka tsy hiandry ny kaominina na tompon’andraikitra avokoa izany fa tokony hiara-kisalahy isika”, hoy ihany izy. Hitohy amin’ny faritra hafa ny fidinana ifotony sy ny hetsika fanadiovana tahaka izao, iarahana amin’ny faritra Analamanga.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.