Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mipoitra tsikelikely ny anarana : olona telo mpanao trafika andramena karohin’ny Bianco

Mipoitra tsikelikely ny anarana : olona telo mpanao trafika andramena karohin’ny Bianco

Mitohy ny fanadihadian’ny Bianco mikasika ny fanaovana trafika andramena. Namoahany filazana fikarohana sy fisamborana ny olona telo mianadahy, voarohirohy tamin’ny fanondranana tsy ara-dalàna andramena (harena voajanahary), ny taona 2014-2015 tany amin’ny faritra Sava sy Analanjirofo. Voalohany, i Maminirina Jean Eddy (manana sary anankiroa), teraka ny 16 marsa 1975 tany Mananara Avaratra, monina eny Ankadivory Talatamaty. Faharoa, i Zakaria Soilihi M’Ze, teraka ny 30 mey 1980, mpandraharaha toekarena. Fahatelo, Rtoa Hantavololona Laurencia, teraka ny 27 jolay 1983 tany Mahajanga, monina eny Ankadivory Talatamaty, sy Ankirihiry Toamasina.

Na tsy mbola voamarina na tsia fa atidoha aza izy ireo, azo heverina fa anisan’ny mpiray tendro amin’ny tena mpanao trafika andramena.

Randria

Les commentaires sont fermées.