Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanomezan’ny Star : nahazo rano madio fisotro Anosiarivo

Fanomezan’ny Star : nahazo rano madio fisotro Anosiarivo

Toerana telo ao amin’ny fokontanin’Anosiarivo, ao amin’ny kaominin’i Tsiafajavona Ankaratra, no nahazo rano madio fisotro. Natolotra ny manam-pahefana eny an-toerana sy ireo mponina hisitraka izany ny fotodrafitrasa, omaly, avy amin’ny vondron’orinasa Star, nosoloin-dRabary Anna, sekretera jeneraly, tena.
Filàna efa ela ity voavaly ity, satria na eo aza ny lazan’ny toerana, sahirana kosa ny mponina eny. Eny amin’ny 2.644 metatra mantsy no misy an’i Tsiafajavona, izay tendrombohitra avo indrindra eto afovoan-tany, ary mazava loatra fa manahirana ny fahazoana rano amin’izany. Nanoina ny antso avo nataon’ireo tompon’andraikitra eny an-toerana anefa ny Star, ka nahazo rano madio fisotro ny vohitr’Anteza, Ankaratra ary Ambondrona, ao anatin’ny fokontanin’Anosiarivo. Misitraka ny fotodrafitrasa ny mponina eo amin’ny 600 eo, izay tohin’ny fanampiana efa nataon’ny Star hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina any an-toerana.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.