Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambato Boeny : dahalo 11 matin’ny zandary

Ambato Boeny  : dahalo 11 matin’ny zandary

Miisa 11 ny dahalo lavon’ny zandary tany amin’ny fokontany Manongarivo, Ambato Boeny, ny alakamisy maraina teo. Sarona koa ny basim-borona roa sy poleta vita magasy koa ary tafaverina amin’ny tompony  ny omby halatra 30 isa. Tamin’ny 6 ora sy sasany maraina no nahazo antso ny zandary avy ao Sitampiky fa lasan’ny dahalo miisa 15 mirongo basy ny ombin’ny olona iray ao Manongarivo tamin’ny 5 ora maraina. Tsy niandry ela noho izany ireo zandary fa namonjy avy hatrany tany am-panaovana fisafoana ary nifampitaona tamin’ireo miaramila any an-toerana. Tokony ho tamin’ny 8 ora maraina, nifankatratra tamin’ireo mpanara-dia ireo dahalo ka velona avy hatrany ny fifandonana. Lavo tamin’izany ireo dahalo 11 lahy ary tratra ihany koa ny fitaovam-piadiany. Nandositra ny efatra ka tsy afaka intsony nitondra ireo omby. Namoy ny ainykoa anefa ny olona iray tamin’ny fokonolona ary nisy enina hafa naratra noho io fifandonana io.

Hitady vokatra ao anatin’ny telo volana

Nivoaka, nandritra ny fivorian’ny tompon’andraikitry ny zandary teny amin’ny Toby Ratsimandrava omaly, fa hitady vokatra izy ireo ao anatin’ny telo volana. “Fenoina zandary ny tontolo ambanivohitra. Hohamafisina ny serasera sy ny fiaraha-miasa amin’ny haino aman-jery. Ahena ny asan-dahalo sy ny halatr’omby”, hoy ny tenin’ny kaomandin’ny zandarimaria, ny Jly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel. “Hofehezina ireo asa ratsy rehetra ao anatin’ny telo volana, ary ampiakarina ny vokatra azo. Ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana ary ny fanadiovana anatin’ny zandary”, hoy ny fanamafisana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.