Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ho an’ny rehetra ny herinaratra : latsaky ny 50 % ny hetra ho an’izay mivarotra

Ho an’ny rehetra ny herinaratra  : latsaky  ny 50 % ny hetra ho an’izay mivarotra

«Manao antso ho an’ny rehetra aho, fa samy afaka mamokatra herinaratra ho azy», hoy ny minisitra Rasoelison Lantoniaina. Nohamafisiny manokana ny antso ataony amin’ny minisitera rehetra, hametraka herinaratra ho azy ireo. “Afaka manao izany daholo, araka ny lalàna vaovao momba ny angovo. Tsy handoavana haba any amin’ny fadintseranana ny fitaovana momba izany ary ho an’izay hanangana orinasa hamokatra izany, latsaky ny 50 % ny hetra aloan’izy ireo”, hoy ihany ny minisitra, nanazava ny lalàna vaovao hanentanana ny rehetra hamokatra herinaratra, avy amin’ny angovo azo  havaozina.

Vitsy, raha ny mpandraharaha malagasy miditra amin’izany famokarana herinaratra izany. Afaka miditra amin’izany ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) ; tokony hamaritra politika vaovao ho fampindramam-bola ho an’izany koa ny banky eto an-toerana. Maro ny azo trandrahina manerana ny Nosy, masoandro, rano, rivotra, ary manana izany isika. Ny fako ahodina avadika manome herinaratra, efa misy manao any Toliara. Tetikasa azon’ny kaominina maro hitadiavana fiaraha-miasa.

R.Mathieu

 

Les commentaires sont fermées.